Guides Pratiques aux usagers
Réformes
Nouveau
Liens utiles
Liens internes
Projet ARCEB
Statistique visiteurs
Nb Visiteurs | |
---|---|
Total | 515938 |
Date de mise en ligne 20 Fev. 2019
Budget de l’Etat : La responsabilité d’informer sur les dépenses publiques incombe au Ministère S’est tenue le 21 Octobre 2021 à l’immeuble Plan Anosy une séance d’échanges et de partage sur la transparence du budget de l'Etat. Organisée par le Service Régional du Budget (SRB) Analamanga, cette réunion a vu la participation des Maires, des députés, des sénateurs, de la société civile, des étudiants issus de l’université, et ses responsables. Des représentants de la Région Analamanga ont également répondu présents. Dans son discours d’ouverture, le Directeur du Budget a rappelé que des conférences budgétaires se tiennent chaque année dans l’optique d'accroître la transparence dans sa gestion mais également pour instaurer une principe de redevabilité envers les contribuables. Le Directeur général des Finances et des Affaires Générales (DGFAG), a quant à lui, précisé qu’informer sur les dépenses publiques est l’un des devoirs du Ministère de l’Economie et des Finances. Néanmoins, il a ajouté que malgré les efforts déployés depuis quelques années, nombreux sont les districts et communes qui n’ont pas encore pu assister à ces séances d’informations compte tenu du mauvais état des routes. A noter que, outre le Ministère de l’Economie et des Finances, chaque ministère se doit de tenir sa séance d’informations sur les dépenses publiques. Le processus pour l’élaboration de la loi des finances y a été abordé, notamment les ajustements opérés sur le budget 2021, dû à la deuxième vague de Covid-19 et du Kere dans le Sud. D’où une hausse de 30,6% pour le budget alloué au volet social. Par ailleurs, depuis 2020, les PTFs ont imposé dans leurs conditionnalités la production d’un rapport sur le budget utilisé. De même, l’implication de la population dans ce processus est une condition sinéquanone avant que le projet de loi des finances ne soit présenté auprès du parlement. Est également requise la bonne gestion qui sera quantifiée par des objectifs à atteindre. L’atteinte de ces objectifs impacte sur le montant des financements reçus. A noter que tous ceux qui ont été présents à cette réunion ont reçu l’ouvrage “Budget des Citoyens” (contenant le budget de base 2022 et la loi des finances rectificative 2021). Cet ouvrage a pour but de résumer ce qui est inscrit dans le Budget public et d’en faciliter la lecture.
Tetibolam-panjakana : Manana adidy amin’ny fampahafantarana ny fandaniana ataon’ny fanjakana ny ministera Notanterahana ny 21 Oktobra 2021 teny amin’ny Tranoben’ny Teti-pivoarana Anosy ny fampahafantarana momba ny fangaraharahan’ny tetibolam-panjakana nokarakarain’ny Sampandraharaham-paritra misahana ny Tetibolam-panjakana Analamanga. Nandray anjara tamin’izany ny ben’ny tanàna, ny solombavambahoaka, ny loholona, ny fiarahamonim-pirenena, ny mpianatra eny anivon’ny anjery manontolo sy ireo tompon’andraikitra ao aminy. Tonga nanatrika izany ihany koa ny teo anivon’ny faritra Analamanga. Nambaran’ny Talen’ny Tetibola nandritra ny fanokafana fa « isan-taona dia misy ny hetsika fampahafantarana ny tetibolam-panjakana tahaka izao ary ho fampiroboroboana hatrany ny mangarahara amin’ny fitantanana ny tetibola no tanjona amin’ izany ». Ny Tale Jeneralin’ny Foibem-pitondrana ankapobeny misahana ny Fitantanam-bola sy ny raharaha Ankapobeny kosa dia nilaza fa « raisin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ho adidy ny mampahafantatra ny vahoaka ny fandaniam-bola ataon’ny Fanjakana ». Nomarihany ankoatra izay fa na teo aza ny ezaka natao tao anatin’ny taona vitsivitsy dia mbola betsaka ireo Distrika sy Kaominina tsy afaka nisitraka an’ity hetsika fampahafantarana ny tetibolam-panjakana ity noho ny fahasarotan’ny lalana any amin’ ny toerana misy azy ireo» Raha ny tokony ho izy dia manatanteraka ity tatitra ity avokoa ny Minisitera rehetra ankoatra ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Nampahafantarina nandritra ity fotoana ity araka izany ny dingana tsy maintsy lalovana amin’ny famolavolana ny tetibola ao anatin’ny taona iray. Tafiditra anatin’izany ny fampahafantarana ny fanitsiana tsy maintsy nirosoana mahakasika ny tetibola 2021 noho ny valanaretina Covid-19 andiany faharoa sy ny kere tany atsimo izay nampiakatra ho 30,6% ny tetibola natokana ho an’ny sehatra sosialy. Nafana ny fifanakalozan-kevitra, nahazo fahalalahana naneho ny eritreriny rahateo ny rehetra. Nanomboka ny taona 2020 dia tafiditra ho isan’ireo fepetra takiana amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpamatsy vola ny fanatanterahana tatitra mahakasika ny tetibola ampiasaina sy ny fampandraisana anjara ny vahoaka amin’ny famolavolana ny tetibolam-panjakana mialoha ny fandaniana azy eny anivon’ireo parlemanta roa tonta. Takiana ankoatra izay ny fahaiza-mitantana ary misy mihitsy ny mari-drefy tratrarina izay misy fiatraikany amin’ny famatsiam-bola azo avy amin’izy ireo. Marihina fa ny mpandray anjara rehetra tamin’ity fihaonana ity dia notolorana ny boky tahirin-kevitra “Tetibola ho an’ny daholobe” (Tetibolam-panjakana Fototra 2022 sy Tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana 2021). Boky izay mamintina ny voalazan’ny tetibolam-panjakana. Tsy ny rehetra rahateo no mahafehy ny fikirakirana ilay boky lehibe manana pejy manodidina ny 300 izay hampandalovina eny anivon’ireo parlemanta roa tonta mialohan’ny faha -30 ny volana oktobra 2021 mahakaika ny Tetibolam-panjakana Fototra 2022.
|