Formation des auditeurs : Pour une meilleure optimisation des contrôles

 Droit, transparent et intègre. Tels sont les mots d’ordres véhiculés auprès de la Direction Générale du Trésor Public  conformément à la politique du Ministère de l’Economie et des Finances. Un renforcement de capacités allant dans ce sens est organisé au profit de 74 auditeurs de la Direction de la Brigade d’Investigation Financière et de l’Audit (DBIFA) et de la Cellule d’Inspection Régionale auprès des 23 régions. La première vague bénéficie de cette formation depuis le 27 septembre dernier à Ampefy.

Organisée en collaboration avec le Programme d’Appui à la Performance du Secteur Public de la Banque Mondiale, la formation porte sur l’audit des détournements des deniers publics et le non-respect des textes qui régissent la gestion des fonds publics, les investigations des infractions liées au détournement des fonds publics, les enquêtes au fond jusqu’au déferrement de l’affaire au niveau du tribunal compétent et l’audit des comptes publics. Les formateurs sont constitués par le Directeur Général du Trésor, Andry Nirina Rajaofetra, ainsi que les auditeurs spécialisés en la matière de la DBIFA dont son Directeur, Herinantenaina Ratovondrahona.

Intervenant sur « le code de déontologie des auditeurs du Trésor », le Directeur général du Trésor a souligné que les auditeurs du Trésor Public ont le devoir de Discrétion, d’Indépendance, d’Objectivité et de Respectabilité (DIOR) dans l’exercice de leur fonction. Il a exhorté le renforcement du suivi de l’effectivité des recommandations lors des audits pour mieux les valoriser.

Les auditeurs du Trésor Public jouent en effet un rôle primordial dans la bonne gouvernance  des fonds publics. Ils réalisent des contrôles qui peuvent être programmés ou inopinés suite à une constatation d’anomalies dans les pièces et documents comptables envoyés par tous les comptables publics. Des régularisations sont exigées à l’issue de ces contrôles pour les fautes de gestion. Par ailleurs, des poursuites pénales sont engagées pour les auteurs de malversation financière.

En marge de cette formation, tous les auditeurs devront adopter la même méthodologie pour une meilleure efficacité des audits et contrôles des finances publiques. Toutes ces actions entrent dans le cadre de la priorisation de la lutte contre le détournement des deniers public et le rejet de toute forme de corruption fortement préconisées par la Direction Générale.

 

Atrikasa hanatsarana ny fitsirihana ny fampiasana ny volam-panjakana

"Tahirimbolam-panjakana mahitsy, madio sy mangarahara amin'ny fanatanterahana ny asa". Io no isan’ny hafatra lehibe izay nampitain’ny Tale Jeneralin’ ny Tahirimbolam-panjakana, RAJAOFETRA Andry Nirina, ho an’ireo Auditeurs 74 manerana ny Nosy avy ao amin’ny "Direction de la Brigade d’Investigation Financière et de l’Audit" (DBIFA) sy ny “Cellule d’inspection régionale” eny anivon’ny faritra 23 izay manaraka fiofanana manokana, andiany voalohany, any Ampefy nanomboka ny 27 septambra 2021.
Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Banky Iraisam-pirenena io atrikasa io amin’ny alalan’ny Projet PAPSP (Programme d’Appui à la Performance du Secteur Public) ary mizara andiany roa. Ny Tale Jeneraly sy ireo mpitsirika manana fahaizana manokana momba ny hosoka avy ao amin’ny DBIFA no mampiofana. Ny Mahakasika ny “déontologie” izay takiana manokana amin’ireo mpitsirikin’ny Tahirimbolam-panjankana no anjara fampiofanana nentin’ny Tale Jeneraly. Ny fiofanana kosa dia miompana amin’ny fitsirihana halatra sy fandikan-dalana amin’ny fitantanana volam-bahoaka ; fanadihadiana heloka amin’ny fanodikodinambolam-panjakana ; famotorana sy fitondrana ady eo anivon’ny fitsarana mahefa ; ary fahaiza-manao amin’ny fandinihana ny antontan-kaontim-panjakana.
Nomena lanjany manokana tokoa ny fitantanana mahitsy sy mangarahara mba hisian’ny tamberin’andraikitra mazava amin’ny fikirakirana ny volam-bahoaka izay vina iraisana eto anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanambola amin’ny sori-dalana iasan’ny Tahirimbolam-panjakana. Ny Foibem-pitondrana ankapoben'ny Tahirimbolam-panjakana dia manao ho zava-dehibe ny fanatrarana izany tanjona izany ka mandray an-tanana ny fampahafantarana ny mpiara-miasa ny asa irosoana mba hampisy vokany mivaingana amin’izany paikady izany.

Toromarika nomen’ny Tale Jeneraly, RAJAOFETRA Andry Nirina, ho an'ny mpiara-miasa rehetra noho izany ny mba hanao tantsoroka amin’ny ady amin’ny fanodinkodinana volam-panjakana sy ny fandavana izay endrika kolikoly rehetra eo amin’ny andraikitra sahanina. Izany dia mba ho fandavorariana ny vinam-pitantanana madio, indrindra ho an' ny "auditeurs" eto anivon’ny Tahirimbolam-panjakana, izay miasa ao amin’ny DBIFA.

Ireto farany izay manana andraikitra hanao fanamarinana ny fitantanana ny volam-panjakana . Amin’izany asa sahaniny izany dia manao fitsirihana ifotony ny fitantanana izy ireo rehefa misy tsy fahatomombanana tsikaritra amin’ny fandinihana ireo antontan-kaonty voarainy avy amin’ireo mpitankaontim-bolampanjakana isan-tsokajiny manerana an’ny nosy. Ny vokatr’izany fitsirihana izany dia mety ho fanitsiana ny lesoka amin’ny fomba fitantanana na miafara amin’ny fanenjehana ny fandikan-dalana ho an’ireo izay ninia nanodinkodina ny volam-panjakana.
Antenaina noho izany ny hananan’ireo "auditeurs" eto amin’ny Tahirimbolam-panjakana fomba fiasa mitovy tantana mba hampirindra ny paikady atrehina aorian’ny atrikasa. Takiana ihany koa ny fahakingam-pihetsika avy amin’izy ireo manoloana ny fisorohana mialoha ny hosoka sy halatra ary fahasahiana manoloana ny fanenjehana ny fanodikondinana volampanjakana. Izao ezaka fampiakarana ny fahaizamanaon’ny mpiasan’ny Tahirimbolampanjakana izao dia ezaka mitohy ary hotanterahina isan-taona mba hahafahana miroso lalina hatrany amin’ny kalitaon’ny fitantanana ny kaontimbolam-panjakana.

 

 

Plan du site ::