.

Tafapetraka ny Tale jeneralin'ny Tahirimbolam-panjakana

Notanterahina ny marainan'ny 9 Septambra 2021 ny famindram-pitantanana teo amin’i RAJAOFETRA Andry Nirina, Tale Jeneraly vaovao eto anivon’ny Tahirimbolam-panjakana sy RANJALAHY Ihaja, Tale Jeneraly teo aloha. Tonga nanatrika ny fotoana ny Minisitry ny Toekarena sy Fitantanam-bola, RABARINIRINARISON Rindra Hasimbelo sy ny Sekretera Jeneralin'ny Minisitera, RAMANAMPANOHARANA Andry ary ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ato amin'ny Minisitera.

Nandritra ny fandraisany fitenenana dia nankasitraka, nisaotra  tamin’ny fiaraha-miasa ny Tale Jeneraly teo aloha. Nanambara izy fa ny asa rehetra dia natao tao anaty fitiavan-tanindrazana. Nohajaina koa ny fenitra sy ny lalàna mifehy ny fitantanana ny volam-panjakana. Mirary ny Tale Jeneraly vaovao izy mba hitondra ny fanavaozana sy fitantanana ny Tahirimbolam-panjakana ao anaty fangaraharana.

Nanome toky kosa ny Tale Jeneraly vaovao fa hanatanteraka amin'ny antsakany sy andavany ny asa andrasan'ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra ary ny Minisitra aminy dia ny "Hiasa mahitsy ho lavitry ny kolikoly". Nitsodrano azy hahefa be amin'izany adidy miandry azy izany ny Tale Jeneraly teo aloha.

Ramatoa Minisitra kosa dia nankasitraka manokana ny mpiara-miasa ato amin'ny Tahirimbolam-panjakana noho ny faharetana tamin'izao fanendrena izao. Tsy natao an-kahamehana na an-kitohatoha hoy izy ny fanendrena fa nohalalinina tsara niaraka tamin'ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra.

Plan du site ::