.

Fikaonandoham-pirenen’ny Faditseranana

Nandritra ireo taona faramparany lasa, ny Foibempitondrana ankapobeny momba ny Faditseranana dia namaritra ireo hetsika fanavaozana maro samihafa entina hanatanterahany ireo fanamby ho tanterahana amin’ny fampanarahana toetrandro sy fametrahana fomba fiasa matihanina, sy hitondram-panavaozana izay hahafahana mametraka ireo fotodrafitrasa manaraka toetrandro sy hahazoana vokatra tsara mba entina hanamorana ny fanatanterahana ireo tetikasam-panjakana, ary amin’ny farany dia hanavaozana eo amin’ny fitantanana ireo mpiasa izay hanampy amin’ireo zotra arahan’ny Faditseranana Malagasy hahatonga ireo mpiasa ho ainga lehibe ho an’ny fahombiazany.

Natomboka tamin’ny taona 2016, ireo fanavaozana mahakasika ireo mpiasa dia nifototra tamin’ny singa efatra lehibe : ny fanamafisana ny fahaiza-manao, ny fitantanana ny fivoarana amin’ny asa, ny fampirindrana ny toeranasa amin’ny mari-pahaizana, ary ny fampidirana ireo mpiasa anatin’ny famaritana ireo zotra stratejika. Ireo fanavaozana ireo, amin’ny lafiny iray, dia miantoka ny fametrahana fomba fiasa matihaninana eo amin’ireo tolo-draharaha omena ireo mpanjifa sy ny kolotsaina mikendry vokatra tsara, ary amin’ny lafiny hafa dia mandray anjara amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny asa, ny fanamafisana ny fahatsapan-tena fa anatin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana ary ny fivoarana eo amin’ny toeranasa sy ao anatin’ny fiarahamonina ho an’ireo mpiasa.

Hisy ny fikaonandoham-pirenena ho karakaraina hikendrena ny tanjona ankapobeny dia ny fandinihana ireo lohahevitra momba ireo fomba fiasa, ny laminasa sy ny fanatanterahana ny asa eo amin’ny fandraharahana ny faditseranana. Ao anatin’ny fanatanterahana izany, mba hahafahana mijery tsirairay ireo birao rehetra izay misandrahaka eran’ny Nosy dia hozaraina enina ny fotoana ka ho tanterahana eny anivon’ny tanan-dehibe efatra : Mahajanga, Toliara, Toamasina ary Antananarivo (ahitana dingana 3).

Ireo mpikambana ao anatin’ny Staff sy ny komity mpikarakara dia hanatanteraka fidinana ifotony amin’ireo toerana voalaza eo ambony ireo mba hanatontosana ny fifanakalozan-kevitra.

Ny fikaonandoham-pirenena dia natomboka ara-pomba ofisialy ny andron’ny 26 Aogositra lasa teo teo ambany fiahian-dRamatoa Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanambola, Rindra Hasimbelo RABARINIRINARISON izay nanamafy ny fanohanany ny Foibem-pitondrana ankapobeny momba ny faditseranana ao anatin’ny iraka tontosain’izy ireo. Ny Minisitra dia nanararaotra ihany koa io fihaonana voalohany niarahana tamin’ny mpiasan’ny Ladoany io mba hizarany, tsy ny vina sy ny fitondrantena mendrika ihany, fa eo ihany koa ireo zavatra andrasany mba hametrahana tolodraharaham-panjakana tsara kokoa.

 

Symposium national de la Direction Générale Des Douanes

Ces dernières années, la Direction générale des douanes a défini différentes réformes afin d’amorcer son engagement pour la modernisation et le professionnalisme ; des réformes qui permettront de mettre en place des infrastructures modernes et performantes qui faciliteront la mise en œuvre des projets de l’administration, et au final, des réformes sur les ressources humaines qui appuieront les démarches de la Douane malagasy pour faire de ses ressources humaines les facteurs clés de son succès.

Amorcées depuis 2016, les réformes sur les ressources humaines s’articulent autour de quatre principales composantes : le renforcement de capacité, la gestion de carrière, l’adéquation profil-emploi, et l’inclusion des agents dans les processus d’identification des orientations stratégiques. Ces réformes, d’une part, assurent le professionnalisme dans les services rendus aux usagers et la culture de performance, et d’autre part, contribuent à l’amélioration des conditions de travail, au renforcement du sentiment d’appartenance à l’administration et à l’évolution professionnelle et personnelle des agents.

Un symposium national est organisé dans l’objectif général de réfléchir sur les  questions fonctionnelles, organisationnelles et opérationnelles de l’administration douanière. D’un point de vue pratique, pour couvrir tous les Bureaux répartis sur le territoire national, le Symposium est scindé en  six sessions réparties sur quatre grandes villes : Mahajanga, Toliara, Toamasina et Antananarivo (en 3 étapes).

Les membres du staff et le comité d’organisation effectueront des descentes dans les endroits sus-cités afin d’engager le dialogue.

Le symposium a été lancé officiellement, le jeudi 26 aout dernier, par Madame le Ministre de l’Economie et des Finances, Rindra Hasimbelo RABARINIRINARISON qui a confirmé son appui à l’Administration douanière  dans l’accomplissement de sa mission. Le Ministre a également profité de cette première recontre pour partager non seulement ses  visions en matière de culture de performance et de déontologie mais aussi ses attentes pour une meilleure Administration

 

 

Plan du site ::