Gestion des finances publiques, Madagascar-Rwanda : Des échanges dans le cadre de l’optimisation de la gestion des finances publiques

Conduire les réformes visant une gouvernance responsable, rationnelle et performante des Finances Publiques en cohérence avec les objectifs de l'Emergence de Madagascar. Tel est le principal objectif de la feuille de route du Ministère de l'Economie et des Finances (MEF) dans le domaine des Finances et des Affaires Générales. Pour ce faire, le MEF par le biais de la Direction Générale des Finances et des Affaires Générales (DGFAG) a sollicité une collaboration avec le Rwanda. Des visio-conférences et une visite d’échanges ont été planifiées en ce sens. Ce pays étant considéré comme une référence en matière d'émergence économique, et un modèle sur le continent africain pour sa performance en matière de gestion des finances publiques. D’où l’intérêt que lui porte la Direction Générale des Finances et des Affaires Générales (DGFAG) dans le but d’établir une coopération pour une capitalisation de bonnes pratiques en matière de gestion des finances publiques.

Dans ce cadre, des séries de visioconférences et une visite d'échanges avec le Rwanda sont organisées. Celles-ci concernent particulièrement divers domaines à savoir la planification et l'exécution budgétaire, la gestion des agents de l'Etat, la gestion du patrimoine de l'Etat, la gestion de la solde et des pensions, et enfin la gestion informatisée des finances publiques.

Une première visioconférence s'est déjà tenue entre la DGFAG et le Rwanda (MINCOFIN, MIFOTRA, RSSB) le 06 juillet dernier, laquelle a porté sur les thèmes suivants :

  • Processus de préparation du budget, Contrôle budgétaire, Planification et suivi des dépenses
  • Rôle du Système Intégré de Gestion Financière (IFMIS à dans la gestion des finances publiques
  • Getsyion des ressources humaines et de la paie (gestion intégrée du personnel de l’Etat et de la paie)
  • Aperçu du régime de pension au Rwanda (réalisations, enseignements tirés, défis et voies à suivre)

Les prochaines étapes consistent à tenir des visioconférences plus spécifiques par domaine avant l'organisation du voyage d'échanges au Rwanda. Une délégation composée de 20 agents de la Direction du Budget, la Direction de la Gestion des Effectifs des Agents de l'Etat, la Direction du Patrimoine de l'Etat, la Direction de la Solde et des Pensions et de la Cellule Informatique des Finances et des Affaires Générales va y participer. A noter que ce voyage permettra de constater de visu et de s'imprégner des résultats des réformes mises en œuvre au Rwanda. Il s’agira également de s’imprégner des bonnes pratiques du système rwandais dans les domaines cités ci-dessus. 

 

Fampiharana ny fahaiza-mitantana ny volam-panjakana : natao tamin’ny fivoriana ampitain-davitra ny dinika tamin’i Rwanda

Entina hanavaozana ny fitantanana ny volam-panjakana hifototra amin’ny fahaiza-mitantana ka hahatongavana amin’ny tanjon’ny vina ho an’i Madagasikara, dia napetraky ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF) ny tondrozotra eo amin’izay seha-pitantanana izay. I Rwanda no heverina fa firenena alaina ho modely amin’ny fivoarana ara-toekarena aty Afrika momba io fitantanana io. Izay no nahatonga ny MEF amin’ny alalàn’ny  Foibem-pitondrana Ankapobe misahana ny Fitantanam-bola sy ny Raharaha Ankapobeny (DGFAG) nanapa-kevitra fa hiara-hiasa akaiky amin’ity firenena ity mba hahatrarana ny fampiharana ny fahaiza-mitantana izany volam-panjakana izany eto amintsika.

Araka izany dia nisy ny fivoriana ampitain-davitra nanaovana fifanakalozan-kevitra tamin’i Rwanda. Niompana tamin’ny sehatra samihafa toy ny fametrahana ny teti-pivoarana, ny fampiharana ny tetibola, ny fitantanana ireo mpiasam-panjakana, ny karama sy ny fisotroan-dronono, ny fitantanana ireo fananam-panjakana ary ny fitantanana ireo volam-panjakana amin’ny alalan’ny teknolojia.

Tamin’ny 6 jolay lasa teo no nisy an’ity fivoriana ampitain-davitra voalohany ity teo amin’ny DGFAG sy i Rwanda (MINCOFIN, MIFOTRA, RSSB).

Nodinihina tamin’izany:

  • Ny dingana tsy maintsy lalovana raha handrafitra ny tetibola, ny fanaraha-maso ny tetibola, ny teti-pivoarana sy ny fanaraha-maso ny fandaniana ny volam-panjakana
  • Ny asan’ny « Système Intégré de Gestion Financière »
  • Ny fitantanana ny mpiasam-panjakana sy ny fandoavana karama
  • Fijerena mikasika ny fisotroan-dononon’i Rwanda (ny fanatanterahana izany, ny lesona azo tsoahina, ny tanjona apetraka sy ny dingana arahina)

Ny dingana manaraka dia hifantoka amina lohahevitra manokana alohan’ny hisian’ny fihaonana mivantana amin’ireo tomponandraikitra any Rwanda. Delegasiona ahitana mpiasa miisa 20 eo anivon’ny Foibem-pitondrana misahana ny Tetibolam-panjakana, ny Foibe-pitondrana misahana ny Fitantanana ny Isan’ny Mpiasam-panjakan, ny Foibem-pitondrana misahana ny Fananam-panjakana, ny Foibem-pitondrana misahana ny Karama sy ny Fisotroan-dronono ary ireo mpikirakira ny informatika eto anivon’ny DGFAG no notsongaina hanatrika izany. Marihina araka izany fa ity fivahinianana ity dia tsy maintsy hitondra vokatra hanatsara hatrany ny fanavaozana ny fitantanana eto amintsika ary ihany koa ho fakana traikefa sy fampiharana momba ireo lohahevitra voalaza etsy ambony ireo.

 

Plan du site ::