L’assurance au service du développement de Madagascar : une nouvelle loi pour le secteur

Le rôle de l’assurance est mal connu du public Malagasy du fait de la réputation du secteur perçu à tort ou à raison comme douteuse. Son utilité en tant qu’institution financière est souvent minimisée en comparaison avec l’importance du secteur bancaire. Toutefois, l’assurance, comme toutes autres activités financières, apporte sa contribution au développement du pays de par ses rôle économique, financier et social*.

La réforme du secteur des assurances fait suite à une mission d’évaluation conjointe du secteur financier malgache par le FMI et la Banque Mondiale dans le cadre du Programme d’Evaluation du Secteur Financier (PESF) en 2015. ll a été rapporté lors de cette évaluation que, dans l’objectif du renforcement du secteur financier et afin de relever les défis de reprise économique et du développement du secteur financier, des actions de réforme sont préconisées, entre autres la réforme de la législation et la règlementation sur le secteur des assurances. En effet le taux de pénétration est seulement de 0,6 % et les principes et règles prévus par les textes en vigueur ne permettent pas un développement efficace du secteur, et doivent être mis à jour pour se conformer aux principes de base internationaux.

A cet effet, le Ministère de l’Economie et des Finances, en collaboration avec la Commission de Supervision Bancaire, avec la participation du secteur des assurances et de toutes les parties prenantes, a élaboré un projet de Loi sur les assurances.

L’économie générale de ce projet de loi lors de son élaboration était de soutenir l’émergence d’un secteur des assurances efficient et plus résilient, de mettre en place un cadre de résolution de crise ainsi que de créer un filet de sécurité. Le projet vise également une contribution plus importante  du secteur des assurances au développement économique et une adoption des politiques de protection des consommateurs.

Dans le cadre de cette réforme, les nouvelles dispositions prévues par la Loi n° 2020 – 005 du 1er Septembre 2020  sur les assurances sont entre autres l’Intégration de nouvelles opérations d’assurances telles que la réassurance, l’assurance numérique, la micro-assurance, l’assurance indicielle, la mise en place de nouvelles assurances obligatoires (assurance de construction, assurance scolaire, assurance faculté à l’importation, assurance de responsabilité civile professionnelle de la réparation, de la vente et du contrôle de véhicule terrestre à moteur) et la possibilité pour les entreprises de réassurance étrangères de créer une succursale.

Les principaux changements  de cette nouvelle loi concernent aussi le transfert de la supervision du secteur des assurances à la Commission de Supervision Bancaire et Financière ou CSBF ; les dispositions sur la protection des consommateurs, la lutte contre le blanchiment de capitaux et financement du terrorisme et la révision des dispositions sur les sanctions.

Les résultats attendus de la réforme :

  • Renforcement du rôle traditionnel de l’assurance;
  • Elargissement du paysage du secteur : ouverture de succursale d’entreprise d’assurance étrangère à Madagascar, extension des opérations autorisées, … ;
  • Vulgarisation de l’inclusion financière : utilisation de divers canaux de distribution (prestataires de services bancaires, toutes autres institutions financières non bancaires, organisations non gouvernementales, agences de développement, associations, opérateurs en téléphonies mobiles, les chaînes de distribution), extension des types d’assurances obligatoires, …, ;
  • Modernisation des opérations d’assurance pour s’aligner aux pratiques internationales ;
  • Surveillance et contrôle du secteur de manière indépendante, règlementation mise aux normes internationales ;
  • Protection du secteur contre les fraudes, les blanchiments de capitaux et le financement du terrorisme ;
  • Protection des acteurs et parties prenantes du secteur : (Entreprises d’assurance mieux protégées, consommateurs mieux informés et protégés, …)
  • Amélioration du taux de pénétration (Amélioration de la contribution du secteur au PIB) ; …

Cette réforme de la législation du secteur des assurances renforcera le rôle et l’impact des activités d’assurance sur la vie active de la population.

Rôle économique : La sécurité procurée par l’assurance aux personnes physiques et morales renforce l’économie nationale. L’assurance permet le développement de l’activité industrielle, commerciale et de service. Elle est un facteur indirect de production. Grâce à l’assurance vie, l’assurance vient relayer les formes classiques du crédit. En effet, l’organisme de crédit accorde les prêts à conditions que l’emprunteur souscrive à une assurance vie à son profit.

Rôle financier: L’assurance fait partie des investisseurs institutionnels et une institution financière à part entière. En effet, l’accumulation des primes permet à l’assureur de constituer des capitaux qu’il peut placer afin de retirer des bénéfices. Les assureurs sont donc appelés à participer à la vie financière du pays (Emprunt d’Etat) et à la politique industrielle

L’assurance draine une partie de l’épargne nationale.

Rôle social : Par la mutualité, il y a groupement de personnes qui versent des cotisations permettant l’indemnisation en cas de sinistre qui touche l’une d’entre elle.

Loi N°2020/005 sur les Assurances,

 

Làlana vaovao mifehy ny sehatry ny fiantohana: mba ho fitaovana ho fampandrosoana an’i Madagasikara

Tsy fantatry ny vahoaka Malagasy loatra ny andraikitra misy eo amin’ny tranom-piantohana  noho ny lazan’io sehatra io izay mampiahiahy ny maro. Mazàna nohamaivanina ny tena ilàna azy araka ny maha-rafitra momba ny fitantanambola azy raha hoharina amin’ny sehatry ny banky. Na izany aza anefa  dia toy ireo asa momba ny fitantanambola hafa dia mitondra anjara biriky eo amin’ny fampandrosoana ny firenena ny sehatry ny fiantohana noho izy manana andraikitra ara-toekarena, ara-bola ary ara-tsosialy*. 

Ny fanavaozana ny sehatra fiantohana

Ny fanavaozana ny sehatra ny fiantohana dia natao taorian’ny asa fanadihadiana niarahan’ny Tahirimbola Iraisampirenena sy ny Banky Iraisampirenena nanaovana tombanezaka tao anatin’ny Fandaharanasa « Programme d’Evaluation du Secteur Financier (PESF) » hijerena ny sehatra fitantanambola Malagasy tamin’ny taona 2015. Notaterina tamin’izany, fa mba ahafahahana manamafy ny sehatry ny fitantanambola dia takiana ireo hetsika fanavaozana, toy ny fanavaozana ny rijanteny mifehy  sy ireo fitsipika tokony hajaina ao anatin’ny sehatra fiantohana.

Ny tahan’ny firotsahana amin’io sehatra io tokoa mantsy dia 0,6 % monja ary  tsy hahafahana mampandroso amin’ny fomba mahomby io sehatra io ireo fotokevitra sy ireo fitsipika voalazan’ny rijanteny manan-kery ka tokony havaozina mba hifanaraka amin’ireo fotokevitra fototra eo amin’ny sehatra iraisampirenena.

Izany no antony nahatonga ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanambola, izay miara-miasa amin’ny Vaomiera Mpanara-maso ny Banky sy ny Fanjariam-bola ary ampian’ny fandraisana anjaran’ny sehatra fiantohana sy ireo mpisehatra rehetra, nandrafitra ny volavolandalàna mifehy ny Fiantohana.

Ny vokatra ankapobeny entin’io volavolandalàna io nandritra ny fandrafetana azy dia ny fanampiana ny fisandratan’ny sehatra fiantohana mahomby sy maharipery kokoa, ny fametrahana ny lasitra entina mamaha ireo kirizy ary ny famoronana ireo haratonaina. Norafetina ihany koa io volavolandalàna mifehy ny Fiantohana io mba hampitombo ny fandraisan’anjaran’ny sehatra bebe kokoa amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy ahafahana mametraka politika fiarovana ny mpanjifa.

Arak’izany, ny fanavaozana entin’ny lalàna laharana 2020-005 ny 01 Septambra 2020 mifehy ny fiantohana dia ny fampidirana ireo karazana fiantohana vaovao toy ny «  tokim-piantohana», ny fiantohana atao amin’ny alalan’ny tontolo ara-kajy mirindra/fiantohana nomerika, ny fiantohana madinika na « micro-assurance », ny « assurance indicielle » fiantohana “indicielle” ; ny fametrahana ireo karazana fiantohana vaovao izay tsy azo hiodivirana (fiantohana ny fanorenana, fiantohana ny fianarana , fiantohana ny fanafarana entana, fiantohana ny andraikitra eo amin’ny lafiny asa fanorenana, ny varotra sy ireo fitsirihana ny fiarakodia misy motera).ary ny fahafahan’ireo orinasa tokim-piantohana vahiny hanangana masoivoho.

Anisan’ny fiovana lehibe nampiana sy hita ao anatin’ny làlana vaovao ihany koa ny famindrana ny fanarahamaso ny sehatra fiantohana any amin’ny Vaomiera Mpanara-maso ny Banky sy ny Fanjariam-bola na CSBF ; ny andininy momba ny fiarovana ireo mpanjifa, ny ady atao amin’ny famotsiambola sy ireo famatsiambola ireo asa fampihorohoroana,ary ny fanavaozana ireo andininy momba ireo sazy.

Ireo vokatra andrasana amin’ireo hetsika fanavaozana :

  • Fanamafisana ireo andraikitra mahazatra tanan’ny sehatra fiantohana;
  • Fanitarana ny tontolo ivelaran’ny sehatra: fananganana masoivoho ho an’ireo orinasa fiantohana vahiny eto Madagasikara, fanitarana ireo tolotra azo omena alalana, … 
  • Fanapariahana ny firotsahana anatin’ny tontolon’ny fikirakirana ara-bola : fampiasana ireo fitaovana fitsinjarana ireo tolotra samihafa (mpanome tolotra momba ny fampindramambola, ireo orinasa ara-bola tsy mpampindram-bola, Fikambanana tsy miankina amin’ny Fanjakana, rantsana ho an’ny fampandrosoana, fikambanana, orinasa mikirakira ny resaka finday, ireo toerana mpaninjara), fanitarana ireo karazana fiantohana tsy azo ihodivirana, …, ;
  • Fanavaozana ny asa fiantohana mba hifanaraka amin’ny fomba fanao eo amin’ny sehatra iraisampirenena;
  • Fanarahamaso sy fitsirihana ny sehatra amin’ny endriny mahaleotena, fitsipika manaraka ireo fenitra iraisampirenena;
  • Fiarovana ny sehatra amin’ny hosoka, ireo famotsiana ireo renivola sy ny famatsiambola ireo asa fampihorohoroana ;
  • Fiarovana ireo mpisehatra sy ireo mpandray anjara anatin’ny sehatra: (Orinasa fiantohana voaaro amin’ny fomba tsaratsara kokoa, mpanjifa mahazo angombaovao feno sy voaaro kokoa, …)
  • Fanatsarana ny tahan’ny firotsahana anatin’ny sehatra (fanatsarana ny fandraisana anjaran’ny sehatra anatin’ny Harinkarena faobe (PIB) ; …)

Izao fanavaozana nentina amin’ny lalàna mifehy ny sehatry ny fiantohana izao dia hanamafy ny anjara andraikitry sy ny fiantraikan’ny asan’ny trano fiantohana amin’ny fiainan’ny tsirairay.

Andraikitra ara-toekarena : Manamafy ny toekarem-pirenena ny fiarovana omen’ny sehatra fiantohana ho an’ny olona sy ireo asa fihariana. Hahafahana mampandroso ireo asa ao anatin’ny indositria sy ny varotra ary ireo tolo-draharaha ihany koa. Raha jerena araka izany dia singa mifandray an-kolaka amin’ny famokarana izy io. Nanjary nifandray tamin’ireo endrika fampindramam-bola mahazatra ny sehatra fiantohana amin’ny alalan’ny fiantohana aina. Ankatoavin’ny orinasa mpampindrambola tokoa mantsy ny fangatahana rehefa manana fiantohana aina ho an’ny tenany ny mpindrana vola.

Andraikitra ara-bola : Ny sehatra fiantohana dia anisan’ireo mpampiasa vola sy orinasa fitantanam-bola feno. Ny fitambaran’ireo latsakemboka dia hahafahan’ny orinansa fiantohana manangona renivola izay azony ampiasaina mba hahazoana tombombarotra. Ireo orinasa fiantohana araka izany dia asaina mba handray anjara amin’ny tontolo ara-bolan’ny firenena (fampindramam-bola ny Fitondram-panjakana) sy ny Politika ara-indostrialy. Ny sehatra fiantohana dia misahana ny ampahany amin’ny Tahirimbola eto amin’ny firenena.

Andraikitra ara-tsosialy : Noho ny hetsika fifampitsimbinana dia misy ireo vondron’olona izay mandrotsaka vola latsakemboka izay hahafahana manome fitsinjovana ara-bola rehefa misy ny voina mahazo ny mpikambana tsirairay.

Loi N°2020/005 sur les Assurances,

Plan du site ::