Une nouvelle loi régit le secteur bancaire à Madagascar

En 2015, le secteur financier Malagasy a fait  l'objet d’une mission d’évaluation conjointe du Fonds Monétaire International  et de la Banque Mondiale dans le cadre du Programme d’Evaluation du Secteur Financier (PESF). Des recommandations de réformes ont alors été émises en ce qui concerne la législation et la règlementation du secteur bancaire à Madagascar.

En effet, compte tenu de l'apparition de nouveaux canaux de distributions, du faible taux de bancarisation de la population adulte, de l'inexistence des modalités de traitement des établissements de crédit en difficulté ainsi que les mesures de résolutions y afférentes, il s’avère nécessaire d'adapter la règlementation en vigueur face à l’évolution et à la spécificité des opérations et des risques afférents au secteur bancaire. Cette adaptation devrait aussi pallier à  l'inexistence des dispositions relatives à la protection des consommateurs.

La réforme de la Loi Bancaire n° 95-030 du 22 février 1996 s'articule ainsi autour de cinq axes majeurs à savoir  la promotion de la stabilité et la solidité du secteur bancaire ; la transformation du secteur bancaire en tant que vecteur du développement économique ; la promotion de l'inclusion financière par l'élargissement des offres de services financiers et la facilitation de leur accès ; la création d’un cadre de protection des Etablissements de Crédit (EC) et des consommateurs  et la mise en place d'un cadre de résolution de crise bancaire. Cette réforme est effectuée non seulement dans le cadre du renforcement du secteur financier mais aussi en respect de la norme bancaire à l’échelle international.

Les principales innovations apportées par la nouvelle loi bancaire N°2020-011 portent essentiellement sur l'encadrement des activités des autres prestataires de services bancaires tels que les établissements de monnaie électronique et les bureaux de change et l'autorisation de nouvelles opérations comme le crédit participatif et la distribution de produits d'assurance. La réforme devrait également aboutir :

  • au renforcement du pouvoir de l'autorité de contrôle et de supervision ainsi qu'à la mise en place des mesures de protection du secteur via un plan préventif de redressement et de résolution,
  • un mécanisme de gestion des réclamations et transparences des informations ainsi que la règlementation en matière de cybersécurité. 
  • la mise en place d’un fonds de garantie des dépôts constitués par les cotisations des EC dans le cadre de remboursement partielle des déposants est aussi attendue
  • ainsi que la mise en œuvre de la stratégie nationale ou tout programme national en matière d'inclusion financière et d'éducation financière.

Ainsi, Madagascar devrait enregistrer une meilleure efficience de son système financier grâce à cette réforme. La supervision du secteur devrait être plus efficace et le paysage du secteur bancaire mieux recadré. Le public pourra avoir un plus large choix d'offres de service compte tenu des innovations. Il pourra aussi s'attendre à une amélioration de l'accès aux services bancaires et à l'adoption des politiques de protection des consommateurs. La confiance dans le système financier devrait de ce fait s'accroître. En outre, cette nouvelle réglementation permet de mettre en place un cadre de résolution de crise bancaire et un filet de sécurité pour faire face aux éventuelles crises.

 

Lalàna vaovao mifehy ny sehatra banky eto Madagasikara

Tamin’ny taona 2015, ny sehatra fandraharahana ara-bola Malagasy dia nohadiadian’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena sy ny Banky Iraisam-pirenena tamin’ny alalan’ny Fandaharanasa fanaovana tomban’ezaka ny sehatra fandraharahana ara-bola (PESF).Araka izany, nisy ireo tolokevitra momba ny fanavaozana ny didy aman-dalàna mifehy ny sehatry ny banky eto Madagasikara.

Tsapa tokoa mantsy fa noho ny fisian’ireo fantsona fitsinjarana vaovao, ny fahakelezan’ny tahan’ireo olon-dehibe manana kaonty amin’ny banky, ny tsy fisian’ny fomba fikarakarana ireo orinasa mandraharaha amin’ny resaka ara-bola miaina anaty fahasarotana sy ireo fepetra entina hamahana olana mifandraika amin’izany dia tena ilaina ny mampifandray ny lalàna manan-kery amin’ny fivoarana sy ny toetra manokana mampiavaka ny tetik’asa sy ireo endriky ny loza vokatr’izany eo amin’ny sehatra banky. Io fanovana io ihany koa dia hahafahana mandray fepetra manoloana ny tsy fisian’ny fitsipika mikasika ny fiarovana ny mpanjifa.

Ny fanavaozana ny Lalàna mifehy ny Banky laharana 95-030 tamin’ny 22 Febroary 1996 arak’izany dia mifantoka amin’ny zotra dimy lehibe toy ny :

  • fampiroboroboana ny fahamarinan-toerana sy ny fahamafisan’ny sehatra banky ;
  • fanovana ny sehatra banky ho lasa mpanjotra ny fampandrosoana ny toekarena ;
  • fampiroboroboana ny fandraharahana ara-bola tsy manavaka amin’ny alalan’ny fampivelarana ireo tolotra fisahanan’asa ara-bola sy ny fanamorana ny fisitrahana azy ireo;
  • famoronana rafitra entina miaro ireo orinasa misehatra amin’ny fandraharahana ara-bola (EC) sy ireo mpanjifa; ary
  • fametrahana ny rafitra famahana ireo olana mihatra amin’ny banky

Ireo fanavaozana ireo dia tanterahina ao anatin’ny fanamafisana ny sehatra fandraharahana ara-bola ary manaja ireo fenitra iraisam-pirenena mifehy ny banky.

Arak’izany, ny fanovana misongadina hita ao anatin’ny lalàna vaovao mifehy ny banky laharana 2020-011 dia miompana betsaka amin’ny:

  • Fametrahana ny fenitra mifehy ny asan’ireo mpanao tolo-draharaha hafa eo amin’ny sehatry ny banky toy ny orinasa misahana ny vola ara-elektronika, ny birao fanakalozana vola vahiny,
  • ny fanomezana, alalana ireo asa vaovao toy ny fifampindramana vola atao ivelan’ny rafitra ara-bola napetraka araka ny lalàna na “credit participatif”, ny fanapariahana ireo tolotra momban’ny fiantohana;

Ny fanavaozana ihany koa dia mifandraika amin’ny:

  • fanamafisana ny fahefana omena ireo rantsana mpanao fitsirihana sy  miahy ny sehatra;
  • fametrahana ireo fepetra enti-miaro ny sehatra amin’ny alalan’ny drafitra hitsinjovana ny fanarenana sy ny famahana olana, ny laminasa fitantanana ireo fitarainana sy fangaraharan’ny angom-baovao ary ny fametrahana fitsipika mahakasika ny “cybersecurité”,
  • fametrahana tahiry fiantohana na “Fonds de garantie” ho an’ireo petra-bola avy amin’ireo latsakembok’ireo EC Orinasa fitrosana vola momba ireo famerenam-bola amin’ny ampahany ataon’ireo mpanao petra-bola;
  •  fametrahana paikadim-pirenena na fandaharanasam-pirenena momba fandraharahana ara-bola tsy manavaka sy ny fanabeazana ara-bola.

Araka izany, avy amin’ity lalàna vaovao mifehy ny banky ity dia andrasana ny:

  • fahombiazan’ny rafitra ara-bola Malagasy sy ny fanaraha-maso io sehatra io;
  • fametrahana araky ny tokony ho izy ny rafitra mifehy ny sehatra banky;
  • fahafahan’ny olona misafidy tolotra maro noho ny fanavaozana misy,
  • fanatsarana ny fisitrahana ireo tolotra omen’ireo banky
  • ny fankatoavana ny politika fiarovana ny mpanjifa
  • fampitomboana ny fifampitokisana ao anaty rafitra ara-bola;
  • fametrahana ny lasitra hamahana ireo krizy mihatra amin’ireo banky;
  • famoronana haraton’aina entina miatrika izay krizy mety hitranga.

Loi n° 2020 - 011 sur la loi bancaire 

Plan du site ::