.

Sehatry ny Harena an-kibon'ny tany : Hifanome tanana ny DGI sy ny SYNPROMINE- MAD amin'ny fampidirana ho ara-dalana ireo mpitrandraka 

Noraisin’ny Tale Jeneraly, Andriamatoa Germain, ny zoma 15 janoary lasa teo, ireo solotenan’ny Sendikàn’ny Mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany SYNPROMINE-MAD.

Nodinihana nandritry ny fihaonana ny fampidirina amin’ny ara-dalàna ireo mpitrandraka. Tsapa mantsy fa betsaka ireo niroana tamin’io sehatra io nandritra ny krizy ara-pahasalamana nolalovan’ny firenena. Hisy araka izany ny fifanomezan-tanana eo amin’ny roa tonta ka vinavinaina ho amin’ny volana Febroary ho avy izao ny fifanaovan-tsonia.

Andraikitra roa no horaisin’ny Foibem-pitantanana ankapobeny Hetra ao anatin’izany fifanarahana izany : ny fampiofanana ireo mpikambana ao amin’ny sendikà ary ny fanamorana ny fanambarana ara-ketra sy ny fahazoana ny karatry ny mpandoa hetra. Izany hoe, tahaka ny nampiharina nandritra ny hetsika « Anjara Hetrako » tamin’ny volana novambra sy desambra lasa teo, dia kara-panondrom-pirenena sy fanamarinam-ponenana ihany no taratasy takiana amin’ireo mpitrandraka maniry ny hiditra amin’ny sehatry ny ara-dalàna ireo.

Ny SYNPROMINE- MAD kosa dia hanao ny fanentanana eny ifotony. Marihina fa manana sampana 70 manerana ny faritany enina sy mpandrindra miisa 50 miparitaka amin’ny faritra 23 ny Sendikà ka afaka hisitraka ny vokatry ny fifanarahana ireo mpitrandraka manerana ny Nosy.

Mandray anjara tanteraka amin’ny fantanterahana ny vinan’ny governemanta ny Foibem-pitantanana ankapobeny Hetra amin’ny fampiroboroboina ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany mba ho fanoitry ny fampandrosoana ny firenena.

 

 

Plan du site ::