.

FAMAKIANA NY TATITRA AMPAHIBEMASO 2020

Teboka fito lehibe no nanaovan’ny Sampam-pitsarana momba ny kaonty (Cour des comptes) fitsirihana nanomboka ny taona 2016. Sehatry ny fananan-tany, ny orin’asam-panjakanam-pitaterana an’habakabaka, ny logiciel Augure, ny harena ankibon’ny tany sy ny tontolo iainana ary ny fanarahana ny tsenam-baro-panjakana, ny lalàna mifehy ny teti-bola 2021, ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra na Objectif de Développement Durable (ODD) ary ny famatsiam-bola ho an’ireo « Financement Politique » ; ireo no notsaingana manokana nandritra ny tatitra ampahibemaso 2020.  Taorian’ny tatitra kosa anefa, raha nitafa tamin’ny tamin’ny mpanao Gazety Andriamatoa Richard RANDRIAMANDRATO, Ministry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, dia nanindry teny manokana momba ny fampiharana ny Logiciel Augure izay handrindrana ny fitantanana ny mpiasam-panjakana. 

« Efa voalaza tamin’ny tatitra ampahibemaso teo fa nisy ny tsy fahatombombanana, toy ny fisian’ny mpiasam-panjakana ao anaty logiciel kanefa tsy ao anaty « Base Solde », na ihany koa mandray karama kanefa tsy anaty Augure. Efa andalam-panatsarana izany ny eo anivon’ny Ministera ary efa hiditra rahateo amin’ny Augure andiany faha - roa », hoy Andriamatoa Minisitra.

Nampahafantariny ihany koa fa maherin’ny 400 ireo mpiasam-panjakana tsy mazava efa nahato tanteraka tamin’ny asany, ary mbola miisa 7 007 no mbola ho jerena akaiky ny momba azy. Mandray fepetra anaty mangaraharaha tanteraka ny Minisiteran’ny Toekarena sy Fitantanam-bola. « Ny tatitra natao anio dia hisaorana ireo Mpitsara fa mampiseho tokoa fa misy ny fangaharahana eo amin’ny filazana ny zava-misy marina eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjankana, ary mbola hitohy izany », hoy hatrany izy nanamafy.

Anisan’ny teboka notsindriny ihany koa ny ezaka tokony atao mahakasika ny orin’asam-panjakanam-pitaterana an’habakabaka. Na dia sarotra aza dia efa nisy aloha ny vaha-olana mba ialàna amin’ny fifanarahana tsy zarizary efa nisy teo aloha, fa « isika samy malagasy ihany dia afaka mitady vaha-olana ho antsika ».

Nampahafantariny ihany koa nandritra ny tafatafa niarahana tamin’ny mpanao gazety fa miroso milamina ny mahakasika ny Tetibolam-panjakana ka ny zoma na ny sabotsy ho avy izao no hodinihina ao amin’ny vaomiera fitambaram-be eo anivon’ny Antenimieram-pirenena izany.

Farany, nanamafy Andriamatoa Ministra fa ny fanatrehany ny tatitra ampahibemaso nataon’ny Sampam-pitsarana momba ny kaonty teny amin’ny Fitsarana tampony notanterahina anio dia endrika iray mampiseho ny mangaraharaha eo amin’ny fitantanana ny volam-panjakana.

 

Plan du site ::