.

Hetsika Anjara Hetrako : Nitohy teny Ivato ny fanentanana

 

Nitohy teny amin'ny Kaominina Ivato, distrikan'Ambohidratrimo nuy zoma faha-13 novambra 2020 ny filazalazana ara-ketra faobe tanterahin'ny Foibem-pitantanana Ankapobeny ny Hetra, izay tafiditra ao anatin'ny tetik'asa "Anjara Hetrako", iarahana miasa amin'ny kaominina ary tohanan'ny masoivohon'ny Alemana eto Madagasikara.

Araka ny nambaran-dramatoa RANDRIANATOAVINA Oely Hanitra, lehiben'ny Ivon-ketra Ivato,  mpivarotra ny ankamaroan'ny mponina ary miasa ao anatin'ny sehatra tsy manara-drafitra ny ankabeazany.

Isan'ny nandrisika ny mpandraharaha ny fanamorana ny taratasy satria kara-panondro sy fanamarinam-ponenana ihany no entina. Tsy misy ihany koa ny sazy ary azo eo no eo ny karatra.

Raha ny antontan'isa voaray, 77 no tonga nanao fanambarana ara-ketra teny Ambohibao ny andro voalohany. Naherin'ny 1000 kosa ny mpitsidika teny Ivato Tsena anio.

Tsiahivina fa natomboka tamin'ny fomba ofisialy teny amin'ny ivon-ketra Ambohidratrimo, herinandro lasa izay, izao fanentanana izao ka 213 no efa nahazo ny karatra maha-mpandoa hetra nandritra ireo efatra andro voalohany nanaovana izany.

 Mbola mitohy eny Talatamaty ny hetsika ny anio Alatsinainy ary eny Imerimandroso ny Talata, ho an'ny Ivon-ketra Ivato. Eny Namontana kosa no hisian’ny hetsika ny Alakamisy 19 novambra 2020 ary eny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolotsaina ny zoma 20 novambra 2020.  

 

Plan du site ::