Guides Pratiques aux usagers
Réformes
Nouveau
Liens utiles
Liens internes
Projet ARCEB
Statistique visiteurs
Nb Visiteurs | |
---|---|
Total | 517385 |
Date de mise en ligne 20 Fev. 2019
Lancement du module e-bilan 24/09/2020 Dans le cadre de la mise en œuvre de son programme « Initiatives Digitales », le Ministère de l’Economie et des Finances (MEF) par le biais de la Direction Générale Impôts (DGI) en partenariat avec le Programme des Nations Unies pour le Développement (PNUD), le Conseil Supérieur de la Comptabilité (CSC), l’Ordre des experts comptables et financiers de Madagascar (OECFM) et la Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) ont procédé à la cérémonie de lancement officiel des travaux de mise en place de la plateforme de télétransmission des états financiers, dénommée « e-Bilan », ce jeudi 24 septembre, dans les locaux de la Direction des Grandes Entreprises (DGE) sise à Amparibe. Dans la législation fiscale actuellement en vigueur, les contribuables sont astreints à déposer auprès des centres fiscaux gestionnaires de leurs états financiers un certain nombre de documents. Le dépôt manuel des états financiers au niveau des Centres fiscaux n’est pas sans tracasserie, aussi bien pour l’administration fiscale que pour les contribuables eux - mêmes, liée à l’élaboration et à la réception des états financiers. La mise en place de « e-Bilan » épargne aux contribuables de longues files d’attente pour l’accomplissement de cette formalité qui doit accompagner la déclaration fiscale. Par ailleurs, la digitalisation de la réception et du stockage des dossiers par l’administration fiscale renforce la sécurisation des données et leur exploitation à différentes fins. Le module « e-Bilan », corollaire de la télédéclaration, permettra aux entreprises de transmettre leurs états financiers et ses annexes (liasse fiscale), sous un format normé, aux fins de certification par l’expert-comptable, et ensuite de les soumettre officiellement à l’administration fiscale. A travers « e-Bilan », il est attendu la facilitation de l’accomplissement des formalités de confection et le dépôt des documents comptables pour les contribuables ainsi que ses partenaires privilégiés, d’une part, et l’optimisation de l’exploitation et la sécurisation des informations par l’administration fiscale d’autre part. Pour les entreprises, la mise en place de l’e-Bilan contribuera sans doute à réduire leurs charges de travail et les coûts et à accroître leur productivité. Enfin et non des moindres, le projet « e-Bilan » est un des plus grands efforts menés par la DGI, en matière de lutte contre la corruption. En effet, nous savons tous que de plus en plus d'entreprises présentent deux bilans différents en manipulant le montant du chiffre d'affaires suivant qu'elle soumissionne pour les marchés publics ou qu'elle dépose un bilan pour la déclaration fiscale. La transparence apportée par « e-Bilan » est une garantie certaine d'une meilleure gestion des recettes fiscales.
Fametrahana ny tambazotra fifandraisan-davitra « e-bilan »
Ao anatin’ny fanatanterahana ny fandaharanasa « initiatives digitales », ny Foibempitondrana ankapobeny momba ny hetra, izay miara-miombona antoka amin’ny tetikasa « Gouvernance Budgétaire et Croissance Inclusive (GBCI)» tantanan’ny PNUD, ny Filankevitra ambony momba ny fitanana kaonty (CSC), ny holafitry ny « experts comptables et financiers » eto Madagasikara (OECFM) ary ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM), dia nanatontosa ny lanonana fanombohana ara-pomba ofisialy ny hetsika ametrahana ny sehatra ahafahana mandefa ireo tatitra momba ny fitantanambola amin’ny alalan’ny tambazotra fifandraisan-davitra izay antsoina hoe « e-bilan » ny andron’ny Alakamisy 24 septambra, tao amin’ny toeram-piasana misy ny Foibempitondrana momba ireo orinasa lehibe eny Amparibe.. Ao anatin’ny rijan-teny manankery momba ny hetra, ireo mpandoa hetra dia tokony handefa eny anivon’ireo ivotoerana momba ny hetra izay mikirakira ny antotan-taratasin’izy ireo ny taratasy maneho ny tatitra momba ny fitantanambolany ahitana taratasy karazany maro. Ny fanaterana an-tanana ireny antotan-taratasy misy ny tatitra momba ny fitantanambola ireny dia tsy ilaozan’ny zavatra manahirana, na ho an’ny orin-draharaha misahana ny hetra, na ho an’ny mpandoa hetra, mandritra ny fanomanana sy ny fandraisana ireo tatitra momba ny fitantanambola. Ho an’ny orin-draharaha misahana ny hetra tokoa mantsy, io zavatra tsy maintsy ataon’ny mpandoa hetra io dia miteraka filaharana lavareny ho famitàna an-tsakany sy an-davany io hetsika izay tsy misaraka amin’ny fanambarana ara-ketra io. Ambonin’izany, ny fitahirizana ireo antotantaratasy eo anivon’ny orin-draharaha momba ny hetra dia tsy manome antoka ny fiarovana ireo angom-baovao tsy hiparitaka. Ny singa « e-bilan » izay mifanjohy amin’ny fanambaran-ketra amin’ny alalan’ny tambazotram-pifandraisan-davitra dia hahafahan’ireo orinasa mandefa ireo tatitra momba ny fitantanambola sy ireo tovana miaraka aminy (« liasse fiscale »), amin’ny endriny manaraka ny fenitra, mialoha ny fanamarinana ataon’ny « expert-comptable », izay arahan’ny fametrahana azy amin’ny fomba ofisialy eo anivon’ny orin-draharaha misahana ny hetra. Amin’ny alalan’ny « e-bilan » dia andrasana ny fanamoràna ny fanatanterahana ireo fomba entina manoratra sy mametraka ireo antotantaratasy fitantanam-bola ho an’ireo mpandoa hetra sy ireo mpiaramiombona antoka aminy manokana etsy andaniny, ary ny fametrahana amin’ny tokony ho izy ny fikirakirana sy ny fiarovana ireo angom-baovao ataon’ny orin-draharaha misahana ny hetra. Ho an’ireo orinasa, ny fametrahana ny e-bilan dia hanampy amin’ny fampihenana ireo asa, ireo fandaniana ary amin’ny fampitomboana ny fahafaha-mamokatr’izy ireo. Farany fa tsy ny kely indrindra, ny tetikasa « e-bilan » dia iray amin’ireo ezaka lehibe ataon’ny DGI eo amin’ny lafiny ady atao amin’ny kolikoly. Ilaina tokoa mantsy ny manamarika fa ankehitriny dia mihamaro ireo orinasa mamoaka tatitra ara-bola roa samihafa amin’ny alalan’ny filalaovany ireo vola maty arakaraky ny fitadiavany ny fahazoana ireo tsenam-baro-panjakana na ny taratasy ataony entiny hanambarana ny tatitra ara-bola hikajiana ireo hetra. Ny fangaraharana entin’ny « e-bilan » dia antoka lehibe ho an’ny fanatsarana ny fitantanana ireo vola miditra avy amin’ny hetra.
|