.

Fandaminana ny fizarana fisotroan-dronono volana septambra 2020

 

Ho antsika eto amin'ny faritra Analamanga, ilazana isika fa miroso ny fandraisana fisotroan-dronono amin’ity volana septambra 2020 ity.

Ny miafara amin’ny 0-1 dia ny alakamisy 10 septambra no mandray, ny miafara amin’ny 2-3, ny zoma 11 septambra. Ny miafara amin’ny 4-5 kosa dia ny alatsinainy 14 septambra no mandray, ny miafara amin’ny 6-7, ny talata 15 septambra, ny miafara amin’ny 8-9, ny alarobia 16 septambra, ary ny miafara amin’ny A-B ary C dia ny alakamisy 17 septambra. Manomboka ny zoma 18 septambra kosa Ireo mitondra procuration sy ireo taraiky no mandray.

Mety miova ny daty fanombohan’ny fizarana ho an'ny faritra hafa, fa mitovy kosa ny fandaminana mandritra ny fito andro voalohany.

Nb:

Noho ny firosoan’ny andro fizarana fisotroan-dronono dia amin'ny alatsinainy farafahatarany ny fotoana hanaovana ny fangatahana ny handraisana ny «pension» any amin’ny faritra izay ihibohantsika.

Mirary soa

 

Plan du site ::