.

Famindran-draharaha teo amin’ny Foibem-pitondrana ny Rafitra Fampahalalam-baovao na DSI

 

Taorian’ny nanendrena azy ho Talen’ny  Foibem-pitondrana ny Rafitra Fampalalam-baovao na DSI eto amin’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola  dia nandray ny asany tamin’ny fomba ofisialy Andriamatoa LALA ARSON Zo Ny Aina. Tontosa ny alatsinainy 24 aogositra 2020 ny famindran-draharaha teo aminy sy Andriamatoa RAJAOMANDROSO Hery, nisahana izany andraikitra izany teo aloha.

Araka ny didim-panjakana laharana 2019/093 tamin’ny 13 febroary 2019 izay anondroana ny anjara raharahan’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ary koa ny fandaminana ankapobe ny Minisitera, ny Foibem-pitondrana ny Rafitra Fampalalam-baovao no miandraikitra amin’ny ankapobeny ny fitondrana sy ny fitantanana ny rafitra fampahalalam-baovao eo anivon’izany Minisitera izany.

Amin’izany dia izy no miadraikitra ny fanoloran-kevitra sy fanatanterahana ny tetika momba ny fampahalala-baovao eo anivon’ny Minisitera, ny fiantohana ny famolavolana, ny fampandrosoana ary ny fampandehanana ny rafitra fampahalalam-baovaon’ny Minisitera, ny fanoloran-kevitra sy fanatanterahana ny politika ankapobeny momba ny fahazoana sy fikojakojana ireo fotodrafitrasa ara-informatika. Anjara andraikiny ihany koa ny fanoloran-kevitra sy fanatanterahana ny tetika entina hiarovana ireo fotodrafitrasa ara-informatika, ny fanofanana sy fanampiana ireo mpanjifa ny rafitra fampahalalam-baovaon’ny Minisitera mba hiantohana ny fitohizana sy ny tsy hisian’ny sakana amin’ny fipariahan’ireo angom-baovao ary ny fiantohana ny iraka fanarahana ireo vaovao momba ny fivoarana ara-teknolojia sy fandaminana ny rafitra, sy ny tambazotra-tserasera ary ny fiarovana amin’ny fiparitahana tsy amin’ny fotoana ho an’ireo angom-baovao.

 

 

 

 

Plan du site ::