.

FANAMBARANA IOMBONANA

 

Ny Governemanta Malagasy sy ireo Solontenan’ny Firenena Mikambana (SNU) miasa eto Madagasikara dia nanomboka ny asa famolavolana ny antontan-taratasy lasitra vaovao ho an’ny fiaraha-miasa, izay hanan-kery mandritra ny vanim-potoana 2021-2023. Io antontan-taratasy io no ivon’ny vina entin’ny SNU eo amin’ny fanaovany tan-tsoroka ho an’ny Governemanta.

Ireo antontan-taratasy mirakitra ireo fandaharanasa misy eo anivon’ireo sampana tsirairay misolo tena ny Firenena mikambana dia hiodina sy hiorina eo amin’io lasitra vaovao io, izay hitanisa ny fanampiana iarahan’izy ireo manatontosa ka aroson’ny SNU ho an’ny firenena ho fanatrarana ireo ODD napetraka ho laharam-pahamehana, anaty fiheverana ny tsy maintsy hikendrena ny tsy hisiana fanaovana an-jorom-bala n’iza na iza.

Ankoatra izay, io lasi-piaraha-miasa vaovao io dia hanana anjara toerana manokana anatin’izao fotoana isian’ny krizy ara-pahasalamana isehoan’ny Covid-19 izao, izay miantso antsika hihevitra lalina ny tsy hiverenana amin’izay nahazatra hatrizay fa ny hametraka fiaingana vaovao ho an’ny fizorana miandalana amin’ny fanatrarana ireo tanjona ho an’ny taona 2030.

Mba hametrahana ho laharampahamehana ireo fanamby goavana eo amin’ny lafiny fampandrosoana sy ny fisandratan’i Madagasikara, mba hamantarana ireo vahaolana enti-manova ireo zava-miseho, ary manomboka eo, mba hanatanterahana ireo laharampahamehana stratejika izay ifantohan’ny fanampiana omen’ny SNU, ny Birao mpandrindra eo amin’ny Firenena mikambana izay miasa sy monina eto Madagasikara ary ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola dia manomana fivorian’asa mifanesy atao amin’ny alalan’ny aterineto na « webinar ».

Ho an’ity fanombohana ity dia webinar miisa dimy no omanina ka izany dia mametraka ho tanjona ny : (1) fandraisana sy fizarana ny vinan’ireo tompon’andraikitra misolo tena ireo mpisehatra lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena sy (2) fanaingana miaraka amin’ireo olona ireo ny tafa manodidina ireo antony maha zava-dehibe sy ny zotra arahan’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

Ireo webinar dimy voalohany dia ho entanin’ireo manana fahaiza-manao manokana mahasolo tena ny tontolon’ny fikarohana, ny firaisamonim-pirenena, ny sehatra tsy miankina, ny sendikan’ny mpiasa, ny sampan-draharaham-panjakana, ary ny Mpiara-miombona antoka teknika sy ara-bola. Izy ireo tsirairay avy dia samy hanana lohahevitra iray avy hiaingana nefa avy eo hiresaka ireo singa rehetra manodidina ny fampandrosoana maharitra.

Toy izao ary ny tondron-andro amin’izany :

  • 13 Aogositra : Fanamby iresahana ny Tontolo iainana
  • 14 Aogositra  : Fanamby iresahana ny sehatra sosialy
  • 19 Aogositra  : Fanamby iresahana ny Fitantanana raharaham-panjakana
  • 20 Aogositra  : Fanamby iresahana ny sehatry ny Toekarena
  • 21 Aogositra  : Fanamby iresahana ny Fiaraha-miombona antoka

Ny webinar entina handaminana ireo hevitra voaray no hamarana io fotoana  fakan-kevitra io ka ho tontosaina ny andron’ny 28 Aogositra izany ; Izy io dia (i) handamina sy handravona ireo hevitra notapahina sy ireo vokatra azo , ary (ii) handrafitra ireo famolavolana voalohany momba ireo laharampahamehana stratejika ao anatin’ireo asa ho tanterahan’ny SNU.

 Fanambarana iombonana Madagasikara Solontenan’ny Firenena Mikambana (SNU)

 Communiqué conjoint : Madagascar - Système des Nations Unies (SNU) 

 

 

 

Plan du site ::