.

 

Fanampiana avy amin’ny INSTAT ho an’ny “Plateforme de Traitement Covid-19” ao Mahamasina.

 

Ho fampitaovana ny «Plateforme de Traitement Covid-19” etsy Mahamasina dia nanolotra solosaina miisa 11 ho azy ireo ny Direction Générale INSTAT izay organisme eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitatanam-bola ny Talata 04 Aogositra 2020 lasa teo. Ireo fitaovana ireo dia anjara biriky entin’ny Ministera amin’ny ady atao amin’ny valanarentina Covid-19 eto amin’ny firenena.

Andriamatoa Mamy Hery Andriamampandry, Filohan’ny Filankevim-pitantanan’ny INSTAT no nisolo tena an’Andriamatoa Ministry ny Toekarena sy ny Fitatanam-bola sy nyTale Jeneralin’ny INSTAT tamin’io fotoana io.  Araka ny nambarany tamin’ny lahateny fohy nataony dia ny hanafainganana sy hanatsarana kokoa ny asan’ireo Mpisehatra ao an-toerana no tanjon’ireo fanomezana ireo.

 

L’INSTAT en appui à la Plateforme de Traitement Covid-19 à Mahamasina.

 

La Direction Générale de l’INSTAT, un organisme sous tutelle du Ministère de l’Economie et des Finances a mis à disposition un lot de 11 ordinateurs de bureau pour la « Plateforme de Traitement Covid-19 » Mahamasina. Ces équipements informatiques constituent une contribution du Ministère pour la lutte contre la pandémie de Covid-19 à Madagascar. 

Représentant le Ministre de l’Economie et des Finances lors de la remise des ordinateurs, Monsieur Mamy Hery Andriamampandry, Président du Conseil d’Administration de l’INSTAT, a souligné dans son allocution que ces équipements informatiques sont destinés à accélérer et rendre efficace la lutte contre la pandémie à Madagascar.

 

 

Plan du site ::