.

Loi de Finances Rectificatives 2020

 

Lany 100% teny anivon'ny Antenimieram-pirenena io tolakandro io ny volavolan-dalàna nasiam-panintsiana 2020 rehefa nandalo famakiana faharoa nanomboka omaly teo amin'ny asam-baomiera. Nisy tokoa mantsy ny fanintsiana noentin'ireo loholona ny talata lasa teo. Ka nangatahan'izy ireo tamin'izany ny famerenena ny vola 7 Miliara Ariary ao anaty kitampom-bolan'ny Antenimieran-doholona. Nanambara ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitatanam-bola Richard RANDRIAMANDRATO fa tsy mampiova ny volam-panjakana ny fangatahan'ireo loholona ireo.
Tao aorian'izay dia nentina avy hatrany teny amin'ny Antenimieran-doholona io volavolan-dalàna io ka dia lany 100% ihany koa.
Handalo Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana io volavolan-dalàna io mialohan'ny amoahan'ny filoham-pirenena izany lalàna izany.


---------------------------------------


Le projet de Loi de Finances Rectificatives 2020 a été adopté à l'unanimité au niveau de l'Assemblée Nationale cet après-midi après relecture. En effet, les membres de la chambre haute ont réclamé la réinscription budgétaire des 7 Milliards d'Ariary dans leur compte. Le ministre de l'Economie et des Finances Richard RANDRIAMANDRATO a soutenu devant les membres de la chambre basse que cette reinscription budgétaire n'a pas de conséquence sur l'equilibre budgétaire.
Après avoir été adopté par l'Assemblée Nationale, le PLFR est repassé devant le sénat pour adoption cet après-midi même. Ce PLFR sera ensuite examiné par la HCC avant sa promulgation.

 

​​​​​​​

 

 

Plan du site ::