.

Nahatontosa ny iraka nampanaovina azy araka ny fitsirihana vorakitry ny andininy faha-4 sy ny tombana momba ny FEC eto Madagasikara ny ekipan’ny FMI

 

Nanatontosa iraka teto Antananarivo ny faha-11 ka hatramin’ny faha-25 novambara ny ekipa avy ao amin’ny tahirim-bola Iraisam-pirenena notarihan 'Atoa Charalambos Tsangarides , lehiben’ny iraka, hanao fandinihana ho an’ny taona 2019 araka ny voarakitra ao amin’ny Andininy faha-efatry ny satan’ny FMI, sy hanao ny tombana andiany faha-6 sady farany ny fandaharan’asa hanatsarana ny toekaren’i Madagasikara izay tohanan’ny FEC.

Ny famoaham-baovao amin’ny famaranana ny iraka ataon'ny teknisiana ao amin'ny FMI dia mirakitra fanambarana mitatitra ny fehinkevitra santatra nataony rehefa avy nitsidika firenena iray izy ireo. Ny hevitra hita amin'ity fanambarana ity dia hevitr’ireo sampan- draharaha ao amin'ny FMI ihany, fa tsy voatery ho hevitry ny filankevi-pitantanana. Raha toa ka ankatoavin’ny Fitantanana ao amin’ny FMI ity fehin-kevitra santatra ity dia hamolavolàna tatitra izay hoentina eo anivon’ny Filan-kevim-pitantanana mba hanaovana fanadihadiana sy handraisana fanapahan-kevitra.

 

Source : Communiqué de presse du Fonds monétaire international

Plan du site ::