.

Asa tagnamaro : navitrika ny mpiasan’ny minisitera

 

Manoloana ny asa Tagnamaro izay tanterahina indray mandeha isam-bolana dia nandray anjara mavitrika amin’ny fanasoavana ny tanindrazana ihany koa ny mpiasan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, androany teny amin’ny Sampandraharaham-paritry ny Tetibola Analamanga eny Andraharo. Mpiasa 120 avy amin’ity Sampandraharaha ity, miampy 60 avy eny Ambohidahy ary 80 avy amin’ny “Garage Administratif”, no niara-nisalahy tamin’izany.

Mitentina 1 355 000 ariary ny vola voahangon’izy ireo tamin’ny alalan’ny latsankemboka. 10 000 ariary avy nataon’ny mpiasa ka nahafahana nanatanteraka izao asa Tagnamaro izao. Nisy koa anefa ireo Foibem-pitondrana maromaro nanolotra vola manokana ho fandraisan’anjara. Fanadiovana ny tanàna, fitaratra, fandokoana trano no natao tamin’izany. Ireo vola voahangona no nentina nividianana ny fitaovana nanaovana ny asa, toy ny angady, kifafa, fandroafana fako, borety, loko, fanasana fitaratra, sns.

Araky ny nambaran’i Randrianasolo Bruno Mamy, lehiben’ny Sampandraharaham-paritry ny Tetibola Analamanga, dia “santatra am-bavarano ihany izao natao izao fa mbola ho avy hanatanteraka izany amin’ny toerana sy faritra ivelan’ny toeram-piasana izy ireo. Ilaina ny fiaraha-mientana tahaka izao mba ho fampandrosoana ny firenena. Tsy tokony ho amin’ny asa Tagnamaro ihany fa amin’ny lafin-javatra rehetra manandrify ny olom-pirenena tsirairay avy, entina mampandroso ny firenena”.

 

 

Plan du site ::