📢 𝗙𝗜𝗦𝗢𝗞𝗔𝗙𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗣𝗢𝗦𝗧𝗘 𝗗𝗘 𝗖𝗢𝗡𝗧𝗥𝗢𝗟𝗘 𝗙𝗜𝗡𝗔𝗡𝗖𝗜𝗘𝗥 𝗔𝗢 𝗩𝗔𝗧𝗢𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗬
📌 Hisokatra ny Alatsinainy 19 Oktobra 2026 izao ao amin’ny Biraon’ny Distrikan’i Vatomandry ny 𝗣𝗼𝘀𝘁𝗲 𝗱𝗲 𝗖𝗼𝗻𝘁𝗿𝗼𝗹𝗲 𝗙𝗶𝗻𝗮𝗻𝗰𝗶𝗲𝗿 izay hisahana ireto distrika efatra (04) ireto : Vatomandry, Marolambo, Antanambao Manampotsy ary Mahanoro.
📍 Ny fanokafana ity Poste de Contrôle Financier vaovao ity dia natao hanakaikezana kokoa ireo mpisehatra amin’ny fitantanam-bolam-panjakana sy hanamorana ny fikirakirana ireo antontan-taratasy mifandraika amin’ny fandaniam-bolam-panjakana.
🎯 Dingana iray entina hanatsarana ny fanaraha-maso ny fandaniam-bolam-panjakana sy hanamorana ny fanatanterahana ny tetibolam-panjakana izany, izay tafiditra ao anatin’ny ezaka sy ny toromarika nomen’Andriamatoa 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗧𝗼𝗲𝗸𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗶𝘁𝗮𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗺-𝗯𝗼𝗹𝗮, 𝘋𝘳 𝘙𝘈𝘔𝘐𝘈𝘙𝘐𝘚𝘖𝘕 𝘏𝘦𝘳𝘪𝘯𝘫𝘢𝘵𝘰𝘷𝘰 𝘈𝘪𝘮é, ho fanatsaràna ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny fahombiazan’ny fampiasana ny volam-panjakana.
#MEF_Madagasikara
#ControleFinancier #DGCF

