LIENS UTILES





𝗚𝗨𝗜𝗖𝗛𝗘𝗧 𝗨𝗡𝗜𝗤𝗨𝗘 : 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗙𝗔𝗜𝗡𝗚𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗧𝗔𝗡𝗧𝗘𝗥𝗔𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗧𝗘𝗧𝗜𝗕𝗢𝗟𝗔𝗠-𝗣𝗔𝗡𝗝𝗔𝗞𝗔𝗡𝗔



✅ Mandray anjara amin’ny « 𝗚𝘂𝗶𝗰𝗵𝗲𝘁 𝗨𝗻𝗶𝗾𝘂𝗲 » ho 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗳𝗮𝗶𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗲𝘁𝗶𝗯𝗼𝗹𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮, napetraky ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ao amin'ny biraony ao Ambatonakanga, ny eto anivon'ny Fanarahamaso ny Fitantanam-bolam-panjakana (Contrôle Financier).

📌 Tsiahivina fa taorian’ny fihaonana notarihin’Andriamatoa Mamitiana RAJAONARISON, Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, niaraka tamin’ireo mpisehatra amin’ny tetibolam-panjakana, ny 7 oktobra 2026 lasa teo, no nametrahana ity hetsika ity.

🎯 Ny tanjona dia ny hanafoanana ireo sakana sy hampihenana ny fe-potoana fikirakirana ny antontan-taratasy, nefa mitandro hatrany ny fanajana ny lalàna sy ny fomba fiasa manan-kery eo amin’ny fitantanana ny volam-panjakana.

⏱️ Mety haharitra dimy (05) andro raha ela indrindra ny fikarakarana antontan-taratasy iray.

#MEF_Madagasikara

#ControleFinancier #DGCF