π…πšπ«π’π­π«πš FITOVINANY ___ 𝐀𝐀𝐨𝐧'𝐧𝐲 𝐑𝐞𝐭𝐬𝐒𝐀𝐚 'πŸ”πŸ“ 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐃𝐆𝐂𝐅' 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐑𝐚𝐟𝐚𝐧𝐭𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐂𝐨𝐧𝐭𝐫ôπ₯𝐞 π…π’π§πšπ§πœπ’πžπ«



π…π€π‘πˆπ“π‘π€ π…πˆπ“πŽπ•πˆππ€ππ˜ πŸ‘₯ ____ Anjaran’ny Faritra FITOVINANY no nampiantrano ny varavarana misokatra mitety faritra hanamarihana ny faha 65 taona nijoroan’ny ContrΓ΄le Financier, nanomboka ny alarobia 20 novambra 2024 ary naharitra hateloana.

πŸ“Œ Nanome voninahitra ny lanonam-panokafana notanterahina teo anivon'ny biraon'ny DΓ©lΓ©gation RΓ©gionale du ContrΓ΄le Financier #DRCF_FITOVINANY ireo olo-manan-kaja maro sivily sy miaramila nasaina, izay notarihan’ny Governoran’ny Faritra Fitovinany, ny Prefet mpisolo toerana ary ny Ben’ny Tananan’i Manakara.

πŸ“Œ Nisongadina hatrany ny maha zava-dehibe ity varavarana misokatra ity, izay natao hampahafantarana ny adidy aman’andraikitra nankinina tamin'ny Controle Financier

______ Fampahafantarana izay noentin'ny avy ao amin'ny #DRCF_FITOVINANY tarihan'Andriamatoa RAVELOJAONA Mamy Lalaina, tamin'ny fandraisana ireo mpitsidika marobe, nahitana mpiasam-panjakana, olon-tsotra, mpianatra ary mpandraharaha ekonomika izay tsapa fa tena liana hahafantatra ny ContrΓ΄le Financier!