𝐃𝐑𝐂𝐅 𝐌𝐄𝐍𝐀𝐁𝐄 - 𝐍𝐚𝐡𝐚𝐳𝐨 𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐟𝐢𝐚𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨



Tontosa ny sabotsy 7 oktobra 2023 teo ny fanokanana tamin’ny fomba ofisialy ny trano vaovao hiasan'ny Délégation Régionale du Contrôle Financier #DRCF_Menabe ao Morondava centre, izay natrehan’Andriamatoa Haja RESAMPA, Minisitra mpiahy ny faritra Menabe.



Ny delegem-paritrin'ny Contrôle Financier, Ramatoa Nivo Lalaina RAKOTONDRAZAKA, sy ny mpiara-miasa aminy dia vonona ny hanome fahafaham-po hatrany ireo mpisitraka raharaham-panjakana any amin'ny faritra (distrika Morondava, Mahabo, Manja, Belo sur Tsiribihina ary Miandrivazo) amin'ny maha mpanara-maso sy mpanolotsaina azy ireo amin’ny lafin'ny famoahana sy fitantanana ny volam-panjakana.